Hankany amin'ny vontoatiny

Grama

Avy amin'i Wikipedia
Iray ka hatramin' ny 100 grama

Ny grama dia ventin-drefin-danja ao amin' ny Rafitra CGS sady ventin-drefy avy amin' ny Rafitra Iraisam-Pirenena (Système international - SI), izay manana ny kilôgrama ho ventin-drefin-danja. Ny marika maneho ny grama dia "g" (tsy misy teboka, raha tsy hoe eo amin' ny faran' ny fehezanteny no misy azy). Mitovy amin' ny iray ampaharivon' ny kilôgrama.

Songatombo sy jotsotombon' ny grama

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny fafana maneho ny songatombo sy jotsotombon' ny grama fampiasa indrindra;

Eva Sanda amin' ny grama
Kilôgrama kg 1 000 g
Hektôgrama hg 100 g
Dekagrama dag 10 g
Gramme g 1 g
Desigrama dg 0,1 g
Santigrama sg 0,01 g
Miligrama mg 0,001 g

Mbola misy koa ny mikrôgrama izay 1/1 000 000 amin' ny grama.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]