Hankany amin'ny vontoatiny

Vangy

Avy amin'i Wikipedia
Vangin' alika

Ny vangy dia karazana nify lava sy maranitra. Mety hiseho amin' ny endrika fisaka kokoa anefa izy ireo ka toy ny andrianify. Nivoatra izy ireo ary ampiasaina indrindra amin' ny fitazonana mafy ny sakafo mba handrovitana azy, ary indraindray ampiasaina ho fiadiana. Matetika ny vangy no nify lehibe indrindra ao amin' ny biby mampinono. Ny ankamaroan' ny karazam-biby izay ahitana azy ireo amin' ny endrika nivoatra amin' ny ankapobeny dia manana vangy efatra, roa eo amin' ny valanorano ambony ary roa ao ambany, elanelanin' ny andrianify isaky ny valanorano; ohatra ny olombelona sy ny alika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]