Hankany amin'ny vontoatiny

Aloe vera

Avy amin'i Wikipedia
Aloe vera
Aloe vera

Ny Aloe vera dia karazana vahona, zavamaniry matevin-dravina sy mitahiry ranony be sy mafaitra, ao amin' ny fianakaviana Aloaceae (araka ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist) na Asphodelaceae (araka ny fanasokajiana APG IV). Atao hoe sakoakenkigny izy io amin' ny teny malagasy antankarana na vahona fotsiny. Miely patrana izy io, ary heverina ho karazana manafika any amin' ny faritra maro maneran-tany. Avy any amin' ny Saikanosin' i Arabia izy io, saingy maniry any anaty ala any amin' ny faritra manana toetany trôpikaly sy maina manerana izao tontolo izao. Izy io dia ambolena ho an' ny vokatra ara-barotra, indrindra amin' ny fitsaboana nentim-paharazana nandritra ny taonjato maro.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]

Azo hanina ny nofon' ny Aloe vera[1]. Tena be prôteinina sy otrikaina (vitaminina A, B1, B2, B6, C, E, kôlinina) ary asidra amine io zavamaniry io[2]. Azo ampiasaina miaraka amin' ny iaorta, amin' ny tsindrin-tsakafo, ary amin' ny zava-pisotro, ankoatra ny zavatra hafa, aorian' ny fanesorana ny lateksa mavo (alôinina)[2][3][4].

Fampiasana amin' ny tsiraka lamba

[hanova | hanova ny fango]

Ny Aloe vera, amin' ny alalan' ny fanasaratsarahana ny tsiraka, dia anamboarana lamba atao hoe "sabra" na "landy zavamairy" any Marôka[5][6].

Zavamaniry fanao haingo izay azo ambolena any amin' ny faritra mafana rehetra eto amin' izao tontolo izao ny Aloe vera.

Fitsaboana sy kôsmetika

[hanova | hanova ny fango]

Zavamaniry ampiasaina amin' ny kôsmetika hatramin' ny fahagola nataon' ireo mpitsabo nentim-paharazana ny Aloe vera. Endahin-kodiny ny raviny ary apetaka mivantana tamin' ny hoditra ny nofony. Ninoana fa manasitranana fery ny nofony. Azo itsaboana ny fitohanana ny ranon' ny Aloe vera. Singa iray amin' ny fanafody vokarin' ny farmasia ny alôinina ao amin' ny Aloe vera noho ny fahafahany manadio tsinay.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. ↑ "Aloe Vera : comment le consommer sans risques ?", www.sante-sur-le-net.com
  2. 1 2 "L'aloe vera, allié naturel de la santé", www.marieclaire.fr
  3. ↑ "Aloe Vera", www.terravita.fr
  4. ↑ "Aloès vrai", www.mnhn.fr
  5. ↑ "ARTISANAT - Le sabra, la soie végétale", lepetitjournal.com, 24 juillet 2008
  6. ↑ "Le Sabra", bleumajorellefrance.wordpress.com