Singaporo
| Republic of Singapore ((en)) | ||||||
| 新加坡共和国 zh | ||||||
| Ciŋkappūr Kudiyarasu ta | ||||||
| Republik Singapura ms | ||||||
| சிங்கப்பூர் குடியரசு ta | ||||||
| Repoblikan’i Singaporo ((mg)) | ||||||
| ||||||
| Teny filamatra : Majulah Singapura (Malay | ||||||
| Teny ofisialy | Anglisy, Mandarina, malay ary tamil | |||||
| Renivohitra | Singaporo 1°17′N 103°51′E / 1.283°N 103.850°E | |||||
| tanàna ngeza indrindra | Singaporo | |||||
| Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisitra |
Repoblika Tharman Shanmugaratnam Lawrence Wong | |||||
| Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 176 699 km² 1.4% | |||||
| Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 115 4 608 167 mpo. 6751 mpo./km² {{{1}}} | |||||
| Anaran'ny mponina | Singapaorianina | |||||
| Sandam-bola | Dolaran'i Singaporo (SGD) | |||||
| Faritr'ora | UTC +8 | |||||
| Hiram-pirenena | Majulah Singapura | |||||
| Valan-tsehatra internet | ||||||
| Antso an-tariby |
+65 | |||||
I Singapôro, na ny Repoblikan' i Singapôro dia firenena iray ao Azia Atsimo-Atsinanana, 137 km avaratry ny Fehibe. Mirefy 699 km² ny velaran-taniny. Fitambara-nosy miisa 64 ny tanin' i Singapôro, ny nosy lehibe indrindra dia ny nosy Singapôro (548,8 km²) sady toy ny renin'ny nosy hafa rehetra mandrafitra io firenena io ary ao amin' io nosy lehibe indrindra io ihany koa no misy ny renivohi-pirenena. Firenena sady Tanàna any amin' ny farany atsimon' ny Saikanosy Maley, sarahin' ny Lakandranon' i Johor izy. Ao amin’ ny tendrony atsimo-atsinanan’ ny Saikanosin' i Malacca no misy an’ i Singapôro. Tsy dia avo ny vohon-tany any amin’ ny ankapobeny.
Manana ny lazany manerantany i Singapôro ary matetika atao ohatra amin' ny fivoarany ara-toekarena. Taorian' ny fahaleovantena tamin' ny taona 1965, tsy dia manana harena an-kibon' ny tany ny tanànan' i Singapôro sady itambesaran' ny karazana olana ara-tsôsialy sy ara-toekarena rehetra, fa lasa firenena anisan' ny matanjaka indrindra eto an-tany. Tanàna shinoa eo anivon' ny Tontolo Maley ilay tanàna, mizaka tena : Shinoa avy any Sina ny ankabeazan' ny mponina ao, izay no nampahaleotena azy tamin' ny 9 Aogositra 1965. Firenena be tanàndehibe mandroso i Singapôro, ary betsaka ireo trano mijoalajoala manaka-danitra.
Anisan’ ireo firenena manan-karena indrindra any Azia Atsimo-Atsinanana i Singapôro. Ny fahombiazana ara-toekaren’ ny tananan’ i Singapôro, amin’ ny ankapobeny, dia noho ny toerana ara-jeôgrafia misy azy, izay fihaonan’ ny Ranomasimbe Indiana sy ny Ranomasin' i Sina Atsimo. Izany no nahafahan’ i Singapôro nandroso amin’ ny maha toeram-pandalovan’ ireo raharaham-barotra isan’ ny lehibe indrindra azy. Isan’ ireo goavana indrindra maneran-tany ny seranan-tsambon’ i Singapôro. Toerana anaovana fandraharahana ara-bola sy iroboroboan’ ny taozava-baventy ny tanànan’ i Singapôro.
Maro ny karazan' olona mitambatra ho vahoaka iray ao Singapôro, ka isan’ izany ny Sinoa, izay mahatratra 80 %, ny Maley ary ny Indiana. Ny ankamaroan’ ny mponina dia manaraka ny fivavahana bodista (indrindra ny Sinoa), ny silamo (fivavahan’ ny Maley), ny kristianisma (fivavahan’ ny Sinoa sy ny Indiana sasany) ary ny hindoisma (fivavahan’ ny Indiana sasany).
Zanatany britanika taloha i Singapôro nanomboka tamin’ ny taona 1819. Nahazo ny fahaleovantenany izy tamin’ ny taona 1965. Mpikambana ao amin’ ny Commonwealth ity firenena ity ankehitriny.

Tanàna
[hanova | hanova ny fango]Jeografia
[hanova | hanova ny fango]Pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Toe-karena
[hanova | hanova ny fango]Finoana
[hanova | hanova ny fango]Lalàna
[hanova | hanova ny fango]Fahadiovana
[hanova | hanova ny fango]Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Boky na pejy mikasika azy
[hanova | hanova ny fango]- Diane K. Mauzy & R. S. Milne (2002). Singapore Politics: Under the People's Action Party. Routledge. ISBN 0-415-24653-9.
- "Census 2000". Singapore Department of Statistics. Archived from the original on 2004-02-15. Retrieved 11 January.
{{cite web}}: Check date values in:|accessdate=(help); Unknown parameter|accessyear=ignored (|access-date=suggested) (help) - "Key Facts & Figures". Ministry of Transport, Singapore. Retrieved 11 January.
{{cite web}}: Check date values in:|accessdate=(help); Unknown parameter|accessyear=ignored (|access-date=suggested) (help) - "Nation's History". Singapore Infomap. Archived from the original on 2006-04-27. Retrieved 11 January.
{{cite web}}: Check date values in:|accessdate=(help); Unknown parameter|accessyear=ignored (|access-date=suggested) (help) - This article incorporates public domain text from the websites of Singapore Department of Statistics, United States Department of State, the United States Library of Congress & CIA World Factbook (2004).
- ((en)) [http://www.gov.sg/ Sehatra ny governemanta singaporianina
- ((en)) [pdf] Tatitr'asan'ny Banque Mondiale
