Manaraka ny zotran' ny tondrom-pamantaranandro avy any ambony ankavia: tafiky ny Commonwealth any an' efitra; miaramila japôney mandevim-belona Sinoa sivily; i Stalingrad taorian' ny fanafahana azy; fiaramanidina mpiady japôney eo ambonin' ny sambo Shōkaku; fahazoan' ny Tafika Mena an' i Berlin; sambo mpisitrika alemàna voatafika.
Ny Ady Lehibe faharoa (AL2) dia ady mitam-piadiana izay niseho maneran-tany, nanomboka tamin'ny 1 Septambra1939 sy nifarana tamin'ny 2 Septambra 1945. Io ady maneran-tany io dia nampifanandrina toby roa: ny Mpiray Dina (frantsay: Alliés), izay ahitana ny firenena tandrefana toa an'i Frantsa sy ny Fanjakana Mitambatra ary i Etazonia, miampy ny Firaisana Sôvietika sy i Sina, andaniny, sy ny firenena ao amin' ny Aksisy na Teza (frantsay: Axe), izay ahitana an'i Alemaina Nazi sy ny Empira Italiana ary ny Empira Japôney, ankilany.
Ny Ady Lehibe Faharoa[1] dia vokatry ny tsy fahafaham-po nateraky ny famahana ny Ady Lehibe Voalohany sy ny nofinofi-piitarana (imperialisma) sy fanjakazakana tao amin'ny firenena telo lehibe ao amin' ny Aksisy. Raikitra ny AL2 noho ny fitambaran' ny disadisa sy ny ady an-trano tao amin'ny faritra maro, indrindra taty Afrika (ady faharoa teo amin' i Italia sy i Etiôpia nanombola tamin' ny taona 1935), tao Espaina (ady an-trano nanombola tamin' ny 18 Jolay 1936), tao Sina (ady sinoa-japôney tamin' ny 7 Jolay 1937) ary ary tao Eorôpa Afovoany (fampidiran' i Alemaina an-keriny an'i Aotrisy ho anisan'ny taniny tamin'ny 11 Martsa 1938, ary fakany ny fizaràn-tanin' ny Sodety avy amin'i Tsekôslôvakia tamin' ny 21 Ôktôbra 1938, fanafihan'i Alemaina an'i Pôlônia tamin' ny 1 Septambra 1939).
Ny tohodranon'i Tsiazompaniry, naorina ny taona 1956, tohodrano mitahiry rano betsaka indrindra eto Madagasikara[2].
Momba azy
Ny tohodranon'i Tsiazompaniry dia tohodrano miendrika andohalambo sady misy andry mpanohana hoan'ny Reniranon'i Ikopa, renirano akaikin'i Tsiazompaniry ao anatin'ny faritra Analamanga. Orinasa frantsay iray no nanorina azy io tamin'ny taona 1956. Izy io no mamorona ny Farihin'i Tsiazompaniry, izay fitahirizan-drano lehibe indrindra eto amin'ny firenena, manana velarana 31 kilometatra tora-droa. Afaka mitahiry rano hatramin'ny 260.000.000 metatra tora-telo ny tohodranon'i Tsiazompaniry. Misy tohodrano hafa mitovy karazana aminy, hita iray kilaometatra mianavaratra-andrefan'ilay tohodrano lehibe, izay manampy amin'ny fandrindrana ny rano ao amin'io fitahirizana io[2].
Any amin'ny kaominina Ambohimiadana, distrikan' Andramasina, faritra Analamanga no misy azy[3].
Ny rano avoakan'ny tohodrano dia mikoriana any amin'ny toby famokarana herinaratra ao Antelomita, izay hita any ambany kokoa amin'ny renirano. Nanomboka tamin'ny taona 2011 ny tetikasa hametrahana toby famokarana herinaratra manana tanjaka 5,25 MW eo am-pototr'ilay tohodrano. Tamin'io taona io ihany, dia tena ambany dia ambany ny haavon'ny rano tao amin'ilay tohodrano[4].
Efa nampiasaina namatsiana rano an' Ikopa ny rano tao Tsiazompaniry vokatry ny haintany, toy ny tamin'ny taona 2017 izay namoahana didim-panjakana ny amin'ny famahana ny tohodrano[5].
(Fanamarihana: Andao hatsaraina ny lahatsoratra amin'ny teny malagasy, ateveno miaraka amin'ny loharanom-baovao manaraka ny satan'ny Wikipedia... Tsindrio ny rohy eto ambany dia ateveno. Marihana fa na dia nanatevina ny lahatsoratra aza ianao dia tsy miova ny eto amin'ny pejy voalohany, ka aza mikorapaka fa fombany ihany izany.)
Azontsika tsirairay atao ny mametraka vaovao tsy mitongilana, tsy fampielezankevitra ary tsy mandainga eto
Septambra2026 - Voamarina ara-tsiantifika fa karazan-tsaka hafa ny Tilcayo na ny saka-tigra
Tilcayo mirenireny ao La Senda Verde
21 Aogositra2026 - Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny Fanapahan-kevitra laharana faha 16-HCC[6], fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny lalàna 2026-005 momba ny politikan’ny fampiasana ny teny malagasy sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara.
1923 - Mihatra ny Mandà (fe-potoam-piasana) britanika ho an'i Palestina, nosarahina tamin'ny Transjordania izay emirà manokana eo ambany fahefan'ny mpanjaka Abdullah I.
1941 - Fanombohan'ny fandripahana tao Babi Yar, namonoana Jiosy sy mpanohitra an'aliny.